“Tsy afa-manafoana ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny filankevitry ny minisitra. Samy manana ny azy… “, hoy ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotomanana Honoré, momba ny didy navoakan’ny governemanta fa 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Tsy voatery handalo eny amin’ny Antenimierampirenena ny fanapahana izany, araka ny fampifangaroan’ny mpanao politika sasany. Marina fa […]
Mois : juillet 2023
Tsy mbola misara-nono !
Tonga amin’izany tanàna indray ry zalahy vahiny ! Toa tompon-tanàna fa tsy mba mpitsidika tsotra intsony. Tena lasa mpisehatra fototra amin’ny raharaha politika eto Madagasikara. Tsy misy fotoana mba hahafahan’ilay firenena miana-mandeha. Zary tantanan-dava amin’izay atao. Hambenana toa zazakely. Tsy afa-mikofoka fa voabetroka lava na voapempo vao miana-kendry hikopa-kelatra. Mahatonga […]
Fihaonana amin’ireo mpanao politika : maka hevitra momba ny fifidianana ny Sadc
Efa eto an-toerana haka hevitra amin’ireo mpisehatra politika, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao, ny Sadc. Hanao tombana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo amin’izany. Hitohy anio hatramin’ny 1 aogositra ny fandraisan’ny Sadc ireo mpanao politika. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo ny eo anivon’ny MMM, tamin’ny alalan’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, tetsy Antaninarenina. Voatsikera […]
Lozam-pifamoivoizana nahafatesana Skoto : mitaky ny fampiharan-dalàna ny fianakavian’ ilay zazalahy fito taona
Manoloana ny fahafatesan’ny zazalahy 7 taona nofaohin’ny fiara teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra Morafeno, ny 23 jola y teo, mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ny mpitondra ny fiara ny fianakaviany. Araka ny angom-baovao, mandeha ny feo fa havoaka hody any an-tokantranony ilay renim-pianakaviana nitondra ilay 4×4, aorian’ny 48 ora nihazonana azy. […]
TSELATRA
Olona sivy indray voasambotra tamina raharaha fakana an-keriny zaza varira iray 12 taona, tao Betamenaka, kaominina Ankalalobe, distrikan’i Belo Tsiribihina, afakomaly. Dahalo 10 lahy nirongo basy no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny azy. Ankizivavy tsy salama saina no niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray 40 taona tao Andratsiolona Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola, ny […]




