“Grandes vacances Toliara”. Hetsika iray, haka endrika fialantsasatra lehibe sy iombonana izy ity. Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, ny andinindininy amin’ity andiany voalohany ity. Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 27 aogositra izany, izay hanentanan’ny mpikarakara ireo mpizahatany sy mpiala sasatra mandritra ireo telo herinandro ireo. “Maro […]
Mois : juillet 2023
IFM Analakely: hiantsehatra indray i Aynah
Tontosaina, anio, eny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’i Nomenjanahary Aina, fantatra amin’ny anarana entina miantsehatra Aynah. Mpanakanto anisan’ireo vao nisandratra, miavaka amin’ny fananany feo mambabo i Aynah. Seho miavaka hanehoany ny maha izy azy, miaraka amin’ny mpitendriny no hatolony ny mpankafy sy mpijery, […]
Rohinkanto: hoentina an-tsehatra ny tantara amin’ny Radio
Tafatsangana ny Rohinkanto ivondronan’ireo mpilalao tantara fandefa amin’ny Radio, mpilalao sarimihetsika, teknisianina amin’ny fikirakirana ny feo ary mpanatontosa fandaharana amin’onjampeo. « Samy matihanina sy manana traikefa matanjaka amin’ny asany avokoa ireo mivondrona mandrafitra ny Rohinkanto raha ny fanazavan’i Ony Mihajanirina, iray amin’ireo mpikambana. Nambarany fa : « izy ireo no […]
« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika sy mpanakanto 20 mahery no hiaka-tsehatra
« Harena ny fahasamihafana ». Hisongadina izany mandritra ilay fampisehoana « Fehezan-tseho hafa mihitsy »… Hotanterahina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ilay seho lehibe nampitondraina ny lohateny « Fehezan-tseho hafa mihitsy ». Mahatratra 20 mahery ireo tarika sy mpanakanto […]
Sary sokitra : fanandratana ny asa tanana vita malagasy
Miseho amin’ny endriny maro ny asa sokitra. Vita amin’ny hazo sy vato ary fitaovana mafy miaraka amin’ny haingo hafa isan-karazany izany. Ahodina mba hahazoana endrika sy sary ara-javakanto amin’ny endriny maro samihafa. Ho an’i Madagasikara, tsy mitovy ny fanaovana ireo sary sokitra manerana ny faritra eto amin’ ny Nosy. Ahitana […]




