Mois : août 2023

« Coupe Confédération CAF »: resin’ny Elgeco Plus teo an-kianjany ny Gaborone United

Nahazo fahombiazana tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Elgeco Plus tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika isan-tarika ity. Resin’izy ireo 1 no ho 0 i Gaborone Botswana. Ny tongotra ila no efa any amin’ny dingana manaraka ho an’ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny […]

Sombim-baovao

Tsy nahitana mpilalao mendrika sy mpampidi-baolina betsaka indrindra ny Amboaran’ny Filoha 2023. Gaga ny rehetra, fa tsy nisy izany tamin’ity fifaninanana ity. Araka ny filazan’ny mpikarakara nandritra ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety anefa, misy ny fizarana vola ho an’ireo mpilalao nisongadina indrindra tamin’ny fifaninanana. Hisolo tenan’i Maurice amin’ny taranja […]

Lalaon’ny Nosy : «  Efa ao anatin’ny fanomanana ny tenako », hoy i Mbola 

Hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao, ny lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11. “Efa ao anatin’ny fa­nomanana tanteraka ny tenako, ary hiezaka ny haka me­daly volamena ho an’ny Ma­lagasy rehetra aho”, hoy Rakotoniaina Aimé Mbola­lalaina Joël, Malagasy mpikatroka amin’ny taranja tolona. Marihina fa i Mbola, […]

« Coupe du Président » : norombahan’Antananarivo ny amboara

Tonga nanohana ny ekipa avy any amin’ny faritany misy azy avy ny mpijery baolina tetsy Mahamasina, omaly. Notoloran’ny filoha omby avy ireo faritany enina nandray anjara. Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, “Coupe du Président 2023”, taranja baolina kitra. Azon’ny ekipan’Antananarivo ny lelavola 20 […]

TARATRY ny KANTO

“Slam nationale 14”. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana nahafantarana ny misolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina. Kalary sy Kudiart no laharana voalohany sy faharoa, ho an’ny tao Toamasina. Christelle Mboty sy Ash kosa ny an’ny tao Antalaha. Izy ireo, araka izany, no hisolo tena ny tanànany avy, amin’ny […]