Mois : août 2023

« Feo roa, gitara roa » : nitondra lavitra ireo mpankafy i Dama sy i Erick

« Rahakamoana ». Hira tsotra kanefa mavesatra ny tonony… hiran-dRaoul io, izay nataon’i Erick Manana irery. Io ny hira nanokatra ny fampisehoana indroa mihantaona tetsy amin’ny CCesca Antani­mena, ny zoma sy ny alahady teo. « Nisy tantara ny niantombohanay, ary anisan’ny nampiakatra an-tsehatra voalohany sy nandrisika an’i Erick Manana tanatin’ny mozika ny […]

« Championnat danse 2023 » : matihanina sy avo lenta ny fifaninanana

Samy naneho ny maha izy azy ny mpifaninana tsirairay, nandritra ny fifaninanana , teo amin’ny sokajy rehetra, ka nanome endrika sy seho mahafinaritra. Afa-po ny rehetra ary maniry ny hitohizan’ny ezaky ny tsirairay ho fampandrosoana ny dihy eto Madagasikara. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja mitafo Vatofotsy, Antsirabe, […]

Taksiborosy nivadika : olona 10 maty, mpandeha 42 hafa naratra

Fiarabe mpitatitra olona avy ao Fianarantsoa no tra-doza, afakomaly. 10 namoy ny ainy, 42 naratra. Antony: voalaza fa tapaka rotule ny fiara, nitelefaonina ny mpamily, nanao taingim-be. Nivadika ny fiarabe taksiborosy mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny kaominina Ambanivohitra So­a­tanana, distrikan’Isandra, afa­komaly atoandro. Olona folo no namoy ny ainy: dimy maty […]

FANTINA sy FINTINA

“Faniriana ny hisian’ny filaminana sy hirosoana amin’ny fifidianana amin’ny fomba demokratika”, hoy ny filohan’ny Fikambanana Malagasy mijoro (Fimami), any Toamasina, ny loholona teo alo­ha, ny Dr Benessy Harison Sébastien. Ny Lalàm­p­a­no­re­nana ihany no tokony hohajaina sy harahina. Efa niezaka tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny Ceni. “Eny anivon’ny kaominina izao […]