Enina aloha ireo efa nanambara ny haha kandidà filoham-pirenena azy, mialoha ny 28 aogositra hisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina izao. Anisan’ny nanambara voalohany ny firotsahany, ny volana janoary teo, ny ambasadaoro teo aloha, i Paraina Auguste, atolotry ny fikambanana politika Tsara Tahafina .Ao anatin’ny fitetezam-paritra amin’izao fotoana izao izy sy […]
Mois : août 2023
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantarin’ny filohan’ny FJKM, sady eo anivon’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako, omaly, ny fihaonambem-pirenena, hokarakarain’izy ireo. Hotanterahina ny 30 aogositra izao eny amin’ny ISTS Mandrimena ka anasana ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena… Fara-fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara, ny 17 aogositra ho avy izao eny Anjohy. Nifampidinika tamin’ny Ceni ny Tim. […]
Fifandraisana amin’i Vatican: hihaona amin’ny papa Fransoa ny filoha Rajoelina
Nambaran’ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitokanana ny Akany Fitiavana, ivontoeram-piofanana Md François de Sales Antsiranana, omaly, fa hihaona amin’ny papa Fransoa izy amin’ny herinandro ho avy io. “Misy ny fifankahazoana manokana. Miraiki-po amintsika sy tia antsika ary mivavaka ho an’ny Malagasy ny papa Fransoa”, hoy izy. Nanteriny fa fihaonana amin’ny […]
Fifaninanana… masirasira !
Aleo tara toy izay tsy misy, hoy ny fiteny mahazatra an-dRamalagasy sy ny moramorany. Tsy takona hafenina toa vay an-kandrina ny toetra mpanao alasafay anaty fikoropahana. Raikitra ny fanamboaran-dalana. Mandeha ny fambolena voninkazo eny amin’ny zaridaina. Tsy misy ny maharatsy azy satria iza no tsy te hiaina miaraka amin’ny […]
Ravatomanga Mamy : “Hitety faritra hizara ny traikefako nandritra ny 33 taona aho”
Namaly ireo resabe momba azy tato ho ato ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy, omaly, tamin’ny fandaharana amin’ny fahitalavitra maromaro. Voaresaka ny lafiny politika sy ny toekarena. Nambarany fa tokony hipetraka amin’ny fandraharahana ny mpandraharaha ary tokony hifanome tanana ho amin’ny firaisankina. “Aoka tsy isika indray no hitarika hidina ambany na hanao […]




