Fasana iray indray novakian’ireo tsy valahara tao Mananety Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Very tamin’izany ny taolan-dava rehetra tao am-pasana. Nakorontan’ireo jiolahy avokoa ny razana sisa tavela. Dahalo iray lavon’ny miaramila eo anivon’ny 422e Compagnie d’Infanterie Ambatomainty, ny sabotsy teo. Anisan’ireo nanao fanafihana tao amin’ny tanànan’Amposa, kaominina Mahabe ity maty voatifitra […]
Mois : août 2023
Nolazainy volamena : olona roa nahatrarana vovo-barahana 1 kg
Voasambotry ny zandary ny lehilahy sy vehivavy iray nivarotra volamena sandoka tao Ambohibao, ny faran’ny herinandro teo. Mody manantona olona sendra azy, milaza ho manana vovo-bolamena ny lehilahy iray. Efa hisy handray io entana io saingy vazaha any Nosy-Be ka tsy mahay miteny frantsay ilay mitonona ho mpivarotra. Reseny lahatra, […]
Fisolokiana : enina mianadahy voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy efatra sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Ankadinakanga, Tsiroanomandidy, omaly. Manao hosoka sady misandoka izy enina mianadahy ireto. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, malaza tao amin’ny faritra Bongolava ny fisiana tambazotra mpanao fisandohana. Mampiasa anarana tomponandraiki-panjakana misahana ny bokin’omby sy ny karapanondrom-pirenena izy […]
Adiny roa ny fisavana tao an-trano: renim-pianakaviana maty notifirin’ny jiolahy
Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangabe Sahananto, distrikan’i Toamasina II, afakomaly tolakandro. Renim-pianakaviana iray maty voatifitra… Niditra an-keriny tao am-pivarotan’ny mpandraharaha iray ireo jiolahy sady nanapoaka basy tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa nandrahona ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ihany koa izy ireo. Nandositra […]




