Mois : août 2023

FANTINA sy FINTINA

“Matoa manohana ny fampandrosoana entin’ny filoha Rajoelina ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mahafantatra izy ireo fa mandeha araka ny tokony ho izy izany”, hoy ny loholona sady filohan’ny vovonana Ifi, Ramanambitana Richard, teny Antananarivo Atsi­mondrano, ny faran’ny herinandro teo. Mba tsy ho voarebirebin’ny mpanenjika sy tsy tia ny fitondrana ny vahoaka, fa […]

Fifidianana filoham-pirenena : maka bahana ho kandidà Razafinjoelina Tahina

Miomana tanteraka. Na­songadin-dRazafinjoelina Tahina tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitala­vitra maromaro, omaly, ny momba ny fifidianana. “Manam-pikasana ho kandidà filoha aho. Tsy maintsy ny antoko Tia tanindrazana no manapaka… Tsy mety ny mitazam-potsiny ny fahorian’ny Malagasy sy ny firenena ary tonga ny fotoana handraisana andraikitra”, hoy izy. Na izany aza, niaiky […]

Miandry fa Gasy !

Tapitra izay ny telo herinandro nomena ny minisitry ny Angovo, mahakasika ny delestazy. Andrasana ny fivoaran’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasahiana handray fepetra hanasazy izay tomponandraikitra tsy nahavita ny asany. Iaraha-mahalala rahateo fa raha misy ny fitavozavozana amin’izany, ny filohan’ny Repoblika ihany no hizaka ny vokany voalohany. Tsy te hahalala afa-tsy […]

Fihaonan’ny filoha Rajoelina tamin’i Kagame ; “Ilaina ny fananana vina sy ny fitiavan-tanindrazana”

Noraisin’ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame, tao amin’ny Lapam-panjakana ao Kigali, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Voaresaka ny fiaraha-miasa sy ny dingana vitan’ity firenena ity. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa manana ny fahaiza-manao sy ny haitarika ny filoha Paul Kagame. “Fakan-tahaka sy modely ho an’i Afrika noho ny ezaka lehibe nataony tamin’ny […]