Mois : août 2023

TARATRY ny KANTO

“Volontany”. Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka omaly hatramin’ny 15 septambra 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe “Volontany”, tontosain’i Hery Zo Ralaindimby. Hosodoko maneho ny zava-misy eto an-toerana no aseho ao anatin’izay. Kolontsaina sy kilalao malagasy. Tontosaina manomboka anio, ary hitohy ny 5 sy 6 aogositra 2023, ny fampianarana […]

Lalaon’ny Frankôfônia- Hip Hop : Andrandraina ny fandresen’ny Moustik Crew

Niaka-tsehatra voalohany ny Moustik Crew, omaly. Ekipa malagasy eo amin’ny hip hop, miady medaly aty Kinshasa, RDC, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. Nampihoraka ny mpijery rehetra, na ny tompon-tanàna aza ny sehon-dry zalahy taizan’i Angeluc Rehava ireto. An­drandraina mafy, araka izany, ny hitondran’izy ireo medaly mody. Tafakatra hiatrika ny «battle», […]

« Mitodiha anie e! » : maneho ny maha izy ny Varatava ny ranty

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina ma­lagasy (IKM) Antsahavola, ny fampirantiana « Mitodiha anie e! », karakarain’ny fikamba­nana Varatava. Nisy ny fampahafantarana ny mahakasika ny sary miranty, nataon’ny mpahay kanto nanao azy, nandritra izany lanonana fanokafana izany. Sary maro sami­hafa, nataon’ny mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity no […]

Fampandrosoana: mila manana arsiva ny sehatra tsirairay

Tahiry taratasy maro. Mety nifandraisana taman’olon-kafa, mety natao teo amin’ny sehatry ny raharaham-panja­kana ihany koa. Arsiva avokoa ireny. Fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana. Afaka manangona ireo ta­ratasy heveriny fa ilaina sy tokony hotahirizina ny tsirairay. Na tsy ho azy (ho an’ilay nanangona) mivantana aza, ahafahan’ny taranaka any aoriana mijery sy mamantatra […]

Kaominina ambanivohitra Sahamatevina : « 511 925 939 Ariary ny fatiantoka », hoy ny ben’ny Tanàna

Kaominina iray mivelona sy ma­melona ary manao fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka ao aminy ny kaominina ambanivo­hitra Sahamate­vina. Iray amin’ ireo kaominina 21 anatin’ny disitrikan’i Vatoman­dry, faritra Atsi­na­nana izy. Fidiram-bola mivantana sy ngeza ho an’ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa mi­trandraka grafita ao Maro­vintsy. Nitsangana sy nitrandraka harena […]