Nihazo ny any Fianarantsoa ireo mpanao politika. Mitety ireo distrika maromaro any an-toerana ny Tim. Efa any an-toerana koa ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina sy ny depiote Siteny . Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izany. Any Farafangana ny HVM, tany Vohiposa ny Tim. Hihazo ny any Ambositra kosa ny Mihava […]
Mois : août 2023
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Fampiakarana ny fahefa-mividy no hatao”
“Fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona no tokony hatao amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fametrahana politika momba ny asa maharitra. Tsy misy izao ny asa. Be dia be ny tsy an’asa. Na miasa aza ny olona, kely sy tsy mahavelona ny karama”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo […]
Misy ny tsirim-panantenana !
Manimanitra fety aman-danonana ny tanàna. Manomboka miranty tsikelikely eto an-drenivohitra ny saina sy ny ravaka isan-karazany momba ny lalaon’ny Nosy. Efa anatin’ zny fanomanan-tena ny mpilalao sy ny mpiahy ary ny mpanohana. Ny firenena mandray anjara ihany koa efa nanasonia ny fandraisany anjara sy ny ho fahatongavan’ny mpikatroka eto […]
Fihaonambem-pirenena: maka bahana hampihaona ny mpanao politika ny FFKM
Efa mamaramparana ny fihaonambem-paritra ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao. Eo am-piketrehana ny fifampidinihan’ny mpanao politika izy ireo izao, amin’ilay fihaonambem-pirenena. Mamarana ny fihaonambem-paritra any Maintirano, ny 4 sy 5 aogositra izao, ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray. Samy nahavita izany ireo faritany […]
TSELATRA
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fonja Ambatondrazaka, omaly alina. Fokonolona avy ao Mangalaza no nitarika ny fanafihana. Nitaky ny hamotsorana ny namany voasaringotra tamina raharaha fitsaram-bahoaka izy ireo. Nifehy ny toe-draharaha ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Olona 13 nidoboka ao amin’ny fonjan’Antanimora, voarohirohy tamin’ny raharaha fiparitahan’ny […]




