Nanitatra ny ambaindain’ny mpanamory ao aminy ny klioba TMF Rallye sy ny mpanohana azy ireo. Tsy hianona fotsiny amin’ny lehilahy izy ireo fa hanome sehatra ny andriambavilanitra, amin’ireo dingana roa farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny rallye. Nisy, araka izany, ny fitiliana ireo tanora manan-talenta amin’ny familiana fiarakodia, […]
Mois : août 2023
Cosafa 2023 : hivondrona anio ireo vehivavy mpilalao 45 voaantso
Vehivavy malagasy mpilalao maro no nahazo antso hiatrika ny fampivondronana amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, marihina fa 23 amin’izy ireo ihany no hiatrika ny Cosafa 2023. Ho fiatrehana ny Cosafa, vehivavy, hatao any Afrika atsimo, manomboka ny 23 aogositra – 3 septambra ho avy izao, hotanterahina manomboka anio, eny Carion, […]
Vehivavy afrikanina : mbola betsaka ireo miaina anaty herisetra sy marefo ara-pivelomana
Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Soafilira Princia, ka nilaza fa fotoana hahatsiarovana ireo dingana rehetra efa natao ho fampivoarana ny zon’ny lahy sy ny vavy sy ho fanamafisana ny ezaka natao […]
Polisin’ala : Mendrika omena hasina
Marihina isaky ny 31 jolay 2023, ny Andro maneran-tany ho an’ny polisin’ala. Mandray anjara amin’izany fanamarihana izany ny ONG Impact Madagascar sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity taona ity, hetsika izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD). Tanjon’ny hetsika ny fanomezana hasina sy ny toerana sahaza […]
Fihoaram-pefy sy tsy fanarahan-dalàna : niantso ny rehetra hamaky bantsilana ny Tim
Nanao fanambarana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Niantso ny rehetra ho mailo manoloana ny tsy fanarahan-dalàna ny tenany. Niantso sy nanaitra ny rehetra ny Tim. Nambaran’izy ireo fa miditra amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanohanana ny mpitondra ny fanjakana. “Efa finiavana sahady handika ny lalàna […]




