Mois : août 2023

INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ny fitetezan’ireo fiarabe ireo distrika maro manerana ny Nosy amin’ny tolotra ara-pahasalamana «Sarobidy ny aiko». Nisitraka izany ny mponina tao amin’ny tanànan’Ambositra, 1 580 ny isan’ireo olona nisitraka tolotra maimaimpoana. Andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fampiasana ankizy, foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Androy. Anisan’ny hetsika notanterahina, nandritra izany, ny […]

Ady amin’ny famarinan’olona : mitentina 2 tapitrisa dolara ny vola enti-miasa

Ny faran’ny herinandro teo no nanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny famarinana olombelona. Misy ny tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara hotanterahina, izay vatsin’ny governemanta amerikanina, hiadiana amin’zany famarinana olona izany. Hanampy ireo mpitandro filaminana hahazo ny fiofanana ilainy ity tetikasa ity. Hahafantarany ny famarinana amin’ny endriny rehetra, sy hahaizany misafidy […]

Tetikasa « Produir » : nampitaovana ny kaominina efatra

Notanterahina omaly, tao amin’ny foiben’ny Produir, etsy Manakambahiny, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra, Anosizato Andrefana, ary ny Rafitra fikojakojana ny rano sy ny fahadiovana (RF2) tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa «Produir». Fitaovana entina mifanerasera 55, fitaovana fandraofana fako […]

Fampidirana mpianatra : manodidina ny 350 000 Ar isaky ny ankizy ny vola ilaina

Manao famandrihana toerana amin’ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao, 2023-2024, ny ray aman-dreny, amin’izao fotoana izao. 106 000 Ar ka hatramin’ny 122 000 Ar ny sandan’ny fisoratana anarana, miaraka amin’ny “frais généraux”, isaky ny mpianatra ka ny “préscolaire” no ambony indrindra ny sora-bola. 53 000 Ar ka hatramin’ny 65 […]

Fako plastika: manimba ny famokarana sy ny nofontany

Singa iray anisan’ny ma­motika ny nofontany ny fako plastika. Sakana amin’ny fa­mokarana izy noho ireo akora misy poizina mandrafitra azy. “Mihena tsikelikely ny tahan’ny fambolena ary tonga hatramin’ny tsy famokaran’ny tany intsony ny fiparitahan’ny fako plastika”, hoy ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Dr Salama Jean Claude, […]