Mois : août 2023

FANTINA sy FINTINA

Natao sonia omaly, teny Alarobia, ny hanohanana eo amin’ny fitaovana sy ny kojakoja ny Ceni, iarahana amin’ny masoivohon’i Japon. Anisan’izany ny fanomezana fiara miisa 10 sy moto miisa 148 ho an’ny foibe sy ny rantsa-mangaikan’ny Ceni. Hifarana, anio ny dian’ireo iraky ny Sadc. Hanao tatitra any amin’ny filoha mitarika ity […]

Ceni : “Hanohana amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Sadc”

“Fantatra tamin’ny fihaonana fa vonona ry zareo hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana, handefa mpanara-maso amin’izany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, An­driamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fihaonan-dry zareo tamin’ny iraky ny Sadc. Nifototra amin’ny zara asan’ny Ceni ny dinika: ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny fikarakarana fifidianana, ny fahazoana anto- […]

Hajo Andrianainarivelo : Kandidà filoham-pirenena ho an’ny rehetra sy ny tena fanovana

Nanambara amin’ny fomba ofisialy ny maha kandidà filoham-pirenena azy amin’ny fifidianana Andrianainarivelo Hajo, omaly, tetsy Ankerana. Nambarany fa misokatra ho an’ny rehetra ny tenany sy ny MMM. Nanapa-kevitra ny filankevi-pirenena, ahitana ny birao politika sy ireo olom-boafidy ary ny tomponandraikitra isam-paritra, fa handrotsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tapaka tamin’izany fa […]

Tsy amponga mihantona !

  Hay tsy zava-dratsy sy mahakivy daholo no misy eto Madagasikara ! misy vaovao tsara sy mahavelombolo maro, saingy takon’ny fisainana sy fomba fiaina zary nozarina hiiba. Tao anatin’ny andro vitsy, nisongadina sy nanakoako eran’izao tontolo izao ny tontolon’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina malagasy. Nahoraka ny fandrombahana medaly teto an-toerana, […]

Tselatra

Nidoboka am-ponja ilay mpamily nahafaty zazalahy 7 taona tao Toamasina Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tsiahivina, maty noraofin’ny 4×4 io zazalahy io raha toa ka nosokirina tao anelanelan’ny tamboho sy ny fiara ny reniny, ny alin’ny 23 jolay lasa teo.. Niafara amin’ny fampidirana am-ponja ny mpamily izany. Mpaka an-keriny roa […]