Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny mponina eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina. Nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny omaly, nisitraka izany ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Avaradoha, anatin’ny boriborintany fahatelo. Nahitana ireo tolotra toy ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny; fitiliana diabeta; fizahana maso; fizaham-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza; fandrindram-piterahana ary fanomezana fanafody maimaimpoana ho an’ireo marary, fanaovana vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra teny an-toerana.
Nandray anjara tamin’ny fanentanana ireo mponina hanao vaksiny ny ASOS Madagascar satria tena zava-dehibe ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra noho ny fiparitahan’ny loto isan-karazany. 400 mahery no tonga nijery ny fahasalamany nandritra ny fisian’ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nisy koa ireo olona sahirana noraisin’ny kaominina an-tanana ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso azy ireo. Ny “Association Béton Armé” no nanentana ny mponina hisitraka izany tolotra maimaimpoana izany ary nizara kilalao ho an’ireo ankizy rehetra tonga teny an-toerana. Eny amin’ny boriborintany fahefatra no hitohy ny hetsika ara-pahasalamana afaka tapa-bolana.
Vonjy A.




