Nanao tatitra ny fivoaran’ny rahararaha mikasika ny fanafarana menaka ataon’ny orinasa DMC indray omaly, ny mpisolovava, Ramaroson Tantely sy Ravonjiarivelo Victorine ary Andriamparanirina Fanaja, tetsy Ampahibe . Eny amin’ny fitsarana fandravana ny raharaha amin’izao fotoana. Miaina am-pitaintainana ny olona arovan’izy ireo noho ny antony maro.
Afaka mivarotra menaka hatramin’ny 6 000 Ar ny litatra ny orinasa DMC raha mivaha ny olana, raha ny filazan’ny mpisolovava. Menaka tsy voadio milanja 3 000 t no nafarana kanefa mbola giazana noho ny sakana maro.
Efa nandalo fitiliana intelo miantoana ny menaka (Institut Pasteur, SGS ary Interket) ary efa voaporofo fa menaka tsy voadio. Ny DMC no anisan’ny manana ny orinasa manadio menaka moderina eto Madagasikara ary miantoka tanteraka ny fanadioana menaka nafarana ho azo ohanina.
Marihina fa efa nanaiky ny fitsarana ambaratonga voalohany, izany hoe, menaka tsy voadio no nafarana, kanefa nolavin’ny fitsarana ambony indray izany. Mbola afaka manao fitiliana manamarina ny rehetra mba ialan’ny ahiahy sy ny fitoriana tsy mitombina.
Tatiana A




