Mirazotra amin’ny hairanty ho fampahafantarana ny lalam-piofanana rehetra, anatin’ny fakiolte eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny fitohizan’ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, anatin’ny sendikà ivondronany. Nitondra teny ny sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly, ny profesora Rasolomampiandry Gilbert, araka ny tapaky ny fivoriambe ara-potoana. Nanamafy izy fa tsy ho tontosa amin’ity taona ity ny famaranana ny taom-pianarana 2022-2023 raha zohiana ny zava-misy amin’izao fotoana. Mety amin’ny taona 2025 indray vao ho afaka handray mpianatra L1 ny oniversite satria ny taona 2024 no tombanana hifarana ity taom-pianarana diaviny ity, araka ny fanamarihany ihany.
Vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana no miteraka ny olana fa tsy sitrapon’ny mpampianatra velively. Tsy misy mihaino rahateo ny fitakian’izy ireo. Tsy hihemotra amin’ny tolona ny mpampianatra mpikaroka satria tsy mbola nandray ny karamany ny “vacataires”. Ireo efa mpiasam-panjakana indray misy ny efa nandray, ny sasany arirarira tsy fantatra intsony.
Momba ny fanambaran’ny minisitry ny Fampianarana ambony fa miaraka aminy ny “professeur titulaire” 79 misaotra ny filoha, fandikan-dalàna no nataony satria tsy nahazo alalana tamin’ny biraon’ny Seces izy nitondra ny anaran’ny Seces.
Vonjy A.




