Tsena Coum 67ha: “Tokony halana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna”

Vita ny fotodrafitrasan’ny tsenan’ny Coum 67ha  nasiam-panavaozana. Efa niverina nivarotra ao an-toerana ireo mpivarotra 2 200 mahery, nafindra vonjimaika teny Andohatapenaka. Misedra olana goavana anefa ireto mpivarotra ao anaty tsena ireto noho ny fisian’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mibahana sy manelingelina ny fidiran’ny mpividy ao an-tsena. Mijanona any ivelany avokoa ireo mpividy fa tsy afaka mandroso ao anatiny ka simba ny asan’ireo mpanao asa tanana sy mpivarotra ara-dalàna ao anaty tsena. Izy ireo anefa nanaraka ny fandaminana sy ny fepetra napetraky ny kaominina. Mangataka ny hanalana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna sy handrodanana ny tamboho manelingelina ny fidiran’ny mpividy ao anaty tsena noho izany ireo manara-dalàna. Efa miverina ao amin’ny tsenan’ny Coum avokoa ireo mpanao asa tanana sy fanaka malagasy, nahazatra ireo mpanjifan’ny Coum 67 ha. Vita tsara ny tsena ka manentana ny mpanjifa hiditra ao anatin’ny tsena ireo mpivarotra. Hita ao ireo fanaka sy asa tanana maro samihafa tsara kalitao sy mora vidy.

Vonjy

Partager sur: