Ady amin’ny homamiadana: hisy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy

Miara-miasa ny Fondation Akbaraly sy ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety amin’ ny fanamarihana ny “Volana iadiana amin’ny homamia­dan’ny nono”, amin’ny volana oktobra ho avy izao. Misy ny hetsika iarahan’ny roa tonta ka manokatra izany ny fiti­liana. Natokana ho an’ny vehivavy ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hatao maimaimpoana eny amin’ny Centre Kintana, Am­batomena, hosantarina ny 3 oktobra ho avy izao. Anisan’ ny iantefan’ny fitiliana koa ny vehivavy mpanao gazety. Ny volana oktobra ihany no tsy misy sarany ny fitiliana fa mandoa vola 25 000 Ar. An­koatra ny vehivavy mpanao gazety, hisitraka fitiliana koa ny vady miaramila sy polisy, ary ireo vehivavy polisy sy mpamonjy voina. Hisy fitiliana mitovy amin’izao koa ho an’ny vehivavy mpanao gazety any Fianarantsoa sy Mahajanga. Tanjona ny hisoroka mialoha ny homamiadana ka zava-dehibe ny manao fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza izay karazana homamiadana mpahazo matetika ny vehivavy ankoatra ny homamiadan’ny nono, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Hizara laharana eny amin’ny Centre Kintana ny Fondation, ny 2 oktobra, handaminana ny fandraisana ny vehivavy vonona hanao fiti­liana.
Entanina, noho izany, ny vehivavy mpanao gazety ha­nararaotra ity tolotra ity. Any amin’ny ivontoeram-pitiliana na tobim-pahasalamana hafa, mahatratra 180 000 Ar ny saran’ny fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza.

Vonjy A.

Partager sur: