Nitondra fitaovam-pianarana ho an’ny akany fitaizana zaza kamboty sahanin’ny Zandarimariam-pirenena eny Arivonimamo ny masoivoho amerikanina, omaly. Tonga mivantana ny mpanolotsaina voalohany, Stephanie Arnold, sy ny ekipan’ity masoivoho ity.
Miisa 80 izy ireo no notolorana fitaovana hiatrehana ny taom-pianarana. Ho fanomezam-boninahitra ireo zandary namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany, nisolo tena ny mpiara-miasa ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny filaminana sy ireo miaramila amerikanina ary ny sampandraharaha momba ny fahasalamana ao amin’ny masoivoho tamin’ny fanolorana ireo fitaovana.
“Mety ho sarotra ny fiainana indraindray, saingy tadidio fa ny fanamby atrehinao dia angovo mampahery anao hatrany. Na eo aza izany dia eto izahay hanampy sy hampifaly anao”, hoy ny mpanolotsaina vaolohany, Stephanie Arnold, tamin’ireto ankizy ireto, omaly.
“Ireo fanomezana ireo dia mariky ny fankasitrahana feno sy ny fanirianay hanohy ny fiaraha-miasa aminareo”, hoy ny lehiben’ny fiarovana eo amin’ny ambasady amerikanina, Richard Hays, nanamafy izany.
Tatiana A




