Filoha mpisolo toerana : manamafy ny fitakiana ireo firaisamonim-pirenena 41

Manoloana ny zava-misy mahakasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, nanao fanairana ny Rohy sy ireo fikambanana samihafa.

Namerina ny antso avo ho an’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm­panorenana (HCC) indray ireo firaisamonim-pirenena 41, teny Ambatonakanga, omaly 18 septambra. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo, tokony miverina amin’ny fanapahan-keviny ny HCC. Mametraka ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Raza­fima­­hefa Herimanana, ho filohan’ny Repoblika mpisolo toerana.

Nomarihin’izy ireo fa tokony hampiharina ny Lalàmpa­no­renana, andininy faha -46, fa tsy ny faha -52 satria fotoam-pifidianana izao. Raha ny hevitr’izy ireo, tandindonin-doza tokoa ny fizotry ny fifidianana sy ny firenena eto Ma­dagasikara. Ny tsy fisian’ny fitondram-panjakana mifanaraka amin’ny Lalàmpanore­nana ka hanatanteraka fifidianana tsy mitanila sy ho eken’ny rehetra no anton’izany.
Manentana ny filohan’ny Antenimierandoholona izy ireo mba haneho ny fahavononany handray ny andraikiny araka ny voalazanan’ny lalàna. Tsia­hivina fa ny 14 septambra lasa teo, nanao fanambarana ma­hakasika izany ireto firaisamonim-pirenena ireto. Ny 8 septambra, nandefa taratasy fanambarana tany amin’ny HCC ny filohan’ny antenimiera Razafimahefa, fa tsy afaka ny hiandraikitra ny maha filoham-panjakana mpisolo toerana, noho ny antony manokana. Tsara ny mampahatsiahy fa ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany izay hotanterahina eto Madagasi­kara, ny 9 novambra ho avy izao.

Fitia

Partager sur: