Fandaharanasa “Apprendre” : tsapaina ny fahafehezan’ny mpampianatra ny teny frantsay

26 ny firenena hanatanterahana ny fandaharanasa “Apprendre” ka anisany i Madagasikara. Manohana ny minisiteran’ny Fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka ny AUF sy ny Agence française de développement mamatsy vola ny fandaharanasa.

Manatanteraka fitsapana ny lentam-pahai­zan’ny mpampianatra momba ny teny frantsay ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena miaraka amin’ny “application Apprendre-ev@ lang”. Voakasiky ny hetsika ny mpampianatra amin’ny EPP sy ny CEG 400 sy mpiofana ho mpampianatra 40 manerana ny faritra 10 eto Mada­gasikara. Nanomboka ny alatsinainy teo ary nifarana omaly ny fanombanana natao eny amin’ny foiben’ny AUF Ankat­so. «Sady teny enti-mampianatra ny teny frantsay no ampianarana amin’ny ambaratongam-pampianarana eto amintsika ka zava-dehibe ny fahafantaran’ny mpampianatra tsirairay ny fifehezany izany», hoy ny tomponandraiki-paritry ny fandaharanasa «Apprendre», Rajaobelina Miara Lalaina.
Vokatra andrasana ny fahazoana antontanisa mom­ba ny fahaizan’ny mpampianatra mampiasa ny teny fran­tsay any an-dakilasy. Tsy anavahana fa voakasika ao daholo ny taranja rehetra. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fandaharanasa ny AUF ao anatin’ ny tetikasa «Apprendre» izay miompana amin’ny fampiofanana ho matihanina ny mpampianatra. Manohana koa ny «France éducation international (FEI)». Ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nanao ny sivana ny mpampianatra hiatrika ny fitsapana.
Hamoaka boky torolalana ahafahan’ny mpampianatra tsirairay mitsapa ny fahaizana ny fandaharanasa satria azo kirakiraina amin’ny finday ny “application”.

Vonjy A.

Mpampianatra ny taranja fizika ao amin’ny CEG Ampangabe, distrikan’Ambohidra­trimo i Abel nanao ny fitsapana ny fari-pahaizany ny teny frantsay. “Mora ampiasaina ny application ary nahazoako nahalala ny lesoka amin’ny fifehezako ny teny frantsay”, hoy izy. Miezaka mitrandraka voambolana maro izy enti-mampita ny lesona amin’ny fizika.

Partager sur: