Ambatovy : Nohavaozina ny fiaraha-miasa amin’ny BNGRC

Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Ambatovy sy ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Vita ny fifanaovan-tsonia ma­hakasika ny fiomanana sy fiatrehana ireo hamehana indostrialy indray. Natao ny faran’ny herinandro teo, teto Anta­nanarivo, ny fanavaozana fa­haroa ny fifanaraham-piaraha-miasa. Nanao sonia izany ny Director External Affairs & Security ao Ambatovy, An­drianai­voravelona Serge, sy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Natao sonia ny volana avrily 2022, nohavaozina voalohany ny volana aogositra 2023 ny fifanarahana. Ma­ma­ritra ny fomba fiaraha-miasa eo amin’Ambatovy sy ny BNGRC mahakasika ny fanatontosana ny asa hitantanana ny tandindon-doza indostrialy izany. Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa ny fandrafetana sy fanavaozana ny Drafitra ma­nokana ho an’ny vonjitaitra (PPI), ho an’ny distrikan’i Moramanga sy ny prefektoran’i Toamasina. Hisy koa ny fanatanterahana fanazaran-tena hitsapana ny fahombiazan’ny drafitra.
Mikendry ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fitantanana ny tandindon-doza, ny loza, ny hamehana ho an’ireo mpikambana izany. Hisitraka manokana ny ao amin’ny «Comité District de Gestion des Risques et des Catastrophes (CDGRC)» ao Moramanga sy ny «Comité Préfectoral de Gestion des Risques et des Catastrophes (CPGRC)» ao Toamasina.

Vonjy

Partager sur: