Tetikasa Tafita : Cisco 63 voakasika

Mpianatra manodidina ny 2 tapitrisa avy amin’ny Cisco 63 amin’ireo faritra miisa 13 no misitraka ny tetikasa Tafita na ny Tantsoroka ho an’ny Fitantanana ny Sekoly.  « Azo tsapain-tanana ny vokatsoa entin’ity tetikasa ity noho ireo ankizy mitombo fahalalana sy fahaizana », hoy ny fanazavan’ny Soamizara Kalofara, renim-pianakaviana mampiana-janaka eo anivon’ny EPP Lohanosy, ZAP Ambohijanaka, Cisco Atsimondrano, ny zoma 9 oktobra teo. Tafiditra amin’ireo mpianatra misitraka ny tetikasa ireo ankizy ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao Lohanosy, nanomboka ny taom-pianarana 2025-2026. Mampihatra ny teknikam-pampianarana toy ny « Kimishibaï » izay midika hoe : Theatra an-taratasy, paikady iray manampy ireo mpianatra hahay hamaky teny sy manoratra izy ireo. Namolavola ny fandrindrana sy fanantanterana ity tetikasa ity ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenana sy ny masoivoho Japoney, misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica), nanomboka ny taona 2016. « Hana­tsarana hatrany ny lentam-pampianarana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra sy hihazonana ny taham-pahavitrihan’ny ankizy hianatra eny an-tsekoly ity tetikasa Tafita ity », hoy ny fanazavan-dRazafindrafara Elisa, mpanolotsaina eo anivon’ny Jica.

Tsiferana R.

Partager sur: