INDRAY MIJERY

Nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny fahitana ireo mpikambana ao amin’ny SMO ka nanatanteraka ny kongresy faha-XVI ny fikambanan’ny mpitsabo momba ny maso eto Madagasikara (SMO). Hetsika ara-tsiansa lehibe izay sehatra ifanakalozana fahalalana, hizarana traikefa ary hanarahana ny fivoarana farany eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny maso ny kongresy.

Nomarihina tany amin’ny faritra Diana ny Andron’ny zokiolona, ny faran’ny herinandro teo. 130 zokiolona nisitraka tan-tsoroka ara-tsakafo ary hitohy amin’ny fandraisana an-tanana sy fanomezana fitaovana mifanaraka amin’ny filan’izy ireo izany. Anisan’ izany ny tehina, fitaovana manampy amin’ny fandrenesana.

Ifarimbonana ny ezaka mba hananan’ny zaza malagasy rehetra kopia amin’ny alalan’ny tetikasa “État-civil et Éducation”. Amin’ny alalan’ny OIF sy ny masoivohon’i Frantsa no hanatanterahana izany. Ilaina amin’ny fampidirana azy ireo any an-tsekoly izany. Eo koa ny mba hahafahany misitraka tanteraka ny zo fototra maha olom-pirenena ny fananan kopia nahaterahana.

Partager sur: