Iray volan’ny Alzheimer izao. Nampahafantatra ny momba izany aretina izany ny neurologue eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), Razafimahefa Julien.
Fahasimban’ny sela anatin’ny atidoha antsoina hoe «neurone» no mahatonga ny olona mihavery fitadidiana tsikelikely. «Lasa miankin-doha amin’ny manodidina azy ilay marary amin’ny andavanandrom-piainany», hoy ny neurologue, Razafimahefa Julien, ao amin’ny CHUJRB.
Tsy mbola fantatra ny mahatonga ny aretina saingy mandrisika sy manafaingana ny fivoaran’ny aretina kosa ny tsy fahasalaman’ny taova sasany amin’ny vatana na ny tosidra tsy voalamina sy ny diabeta. Rehefa simba ny “neurone” dia mifintina tsikelikely ny atidoha. Mihavery, manaraka izany, ny fahafahana manao zavatra ka lasa miankin-doha tanteraka amin’ny manodidina azy ny marary.
Ny fambara miseho matetika dia ny fanadinoana ny zavatra mahazatra. Mitombo sy miitatra izany rehefa mitombo ny taona. Ohatra amin’izany ny zavatra tenenina mety tsy ho tadidiny, ny fomba fanao mahazatra mety lasa tsy hainy. Manomboka eo amin’ny faha-50 taona eo ho eo no fiantombohan’ny aretina. Aretina tsy afaka sitranina ny Alzheimer. Azo atao kosa ny mifehy ny fiitaran’ny fahasimban’ny atidoha saingy tsy mbola misy ny fanasitranana tanteraka.
Rehefa manomboka very tadidy tsikelikely ny olona manomboka eo amin’ny faha-50 taona dia manatona ny neurologue izy izay hita amin’ny faritra rehetra.
Mety miafara amin’ny tsy fahafahan’ilay olona manao sonia intsony ka mitaky fandraisana andraikitra feno amin’ny fianakaviany izany. Ilaina ny fikoloana ny fahasalamana sy ny taova rehetra, ny fampiasam-batana, ny fahasalaman’ny lalandra sy ny atidoha…mba tsy hanafaingana ny aretina Alzheimer.
Tatiana A




