Loka Poesam 2023 : lasan’ny tetikasa manohana ny voly kafe

Azon’ny tetikasa eo amin’ny fanohanana ny voly kafe any amin’ny faritra Itasy ny laharana voalohany tamin’ny tetikasa “Fandraharahana sosialy aty Afrika sy Moyen-Orient”, taona 2023. Niforona ny taona 2020 ny Moli Company hampahafantatra ny vokatra sy ny toerana niaviany ary ny tantsaha mamokatra azy. Be mpankafy eto an-toerana sy any ivelany ny kafe arabica avy any Itasy fa mila fanohanana ny mpamokatra azy amin’ny lalam-barotra ivelan’ny Nosy. “Nahazo fiofanana amin’ny fanatsarana ny famokarana kafe arabica ireo tantsaha ireo ka kaoperativa efatra no miara-miasa amin’ny “Moli Company” hatramin’izao”, hoy ny mpitantana ny orinasa, Ranjalahy Tanjona, teny Ankorondrano, omaly. Voana kafe maina no vidina amin’ny tantsaha fa ny orinasa ihany no mitoto azy mialoha ny hivarotana ny kafe eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe sy ny toeram-pisakafoana eto Madagasikara. Niakatra ny fari-piainan’ny tantsaha voatohana ary hisokatra amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Moli Company satria nahazo sora-bola 8 tapitrisa Ar avy amin’ny Orange mpikarakara ny fifaninanana. Mbola lasan’ny Moli Company ihany koa ny “prix féminine” tamin’ny tetikasany, nandraisany sora-bola 4 tapitrisa Ar. Tanjona ny hametrahana sehatra iray hivarotana ny kafe arabica avy any Itasy izay tena tsara kalitao amin’ny varotra ao anatin’ny tambajotran-tserasera hanaraka ny toetrandro sy hanamora ny fampahafantarana ny vokatra any ivelany.
120 ny tetikasa nifaninana tamin’ny “Poesam 2023”. Valo tamin’ireo no niatrika ny famaranana, nivoahan’ny tetikasa telo voalohany. Vehivavy avokoa ireo mpandresy tamin’ity taona ity.

Vonjy A.

Partager sur: