“Tokony hipetraka amin’ny toerany ny firaisamonina sivily, amin’ny fakana sy fanomezana hevitra ary mijanona ao anatin’ny maha fikambanana azy”, hoy ny loholona Ramanambitana Richard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy tokony hiditra amin’ny tontolo politika ny firaisamonina sivily amin’izany, ka lasa mitarika savorovoro sy fanakorontanana eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena. […]
Mois : septembre 2023
Fandrakofana vaovao mandritra ny fifidianana : mpanao gazety 35 manerana ny Nosy miofana eto Antananarivo
Miatrika fiofanana etsy Ankerana, Antananarivo, ireo mpanao gazety 35 (avy amin’ny sehatra samihafa) manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Maharitra efatr’andro, nanomboka omaly ary hifarana ny zoma izao, izany. Miompana amin’ny fahafahana mandrakotra vaovao ara-drariny sy manaraka ny etika mandritra ny zotram-pifidianana ny fiofanana. Tanjona ny hahafehezan’ny mpanao gazety ny […]
Depiote Velontsara Paul Bert : naneho hevitra momba ny fitakian’ny Rohy
Taorian’ny fanairana nataon’ny firaisamonim-pirenena Rohy, teny Ambatonakanga, ny alatsinainy lasa teo. Nilaza ny heviny, Velontsara Paul Bert, solombavambahoaka voafidy tao Port-bergé, omaly. Nambaran’ity solombavambahoaka IRD ity fa efa mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Rehefa tsy vonona ny handray ny toerana maha filohan’ny Repoblika mpisolo-toerana azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, afaka mandray ny […]
CUA – Boriborintany IV : olona 250 nisitraka tolotra ara-pahasalamana
Nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka maimaimpoana ireo mponina avy eny amin’ny Boriborintany fahefatra, omaly. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Notanterahina nanomboka omaly, haharitra hatramin’ny zoma 22 septambra 2023, eny amin’ny Boriborintany fahefatra, fokontany Mandrangobato, ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tafiditra […]
Vaovao tambatra
Samy miandry ny fandehanan’ilay fitaterana an-dalamby (train urbain) ny ankamaroan’ny Malagasy. Mbola misy ny fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony miaraka aminy mbola tsy vita hatramin’izao, antony mampiato ny fandehanan’ity fitaterana ity. Tokony ho noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny volana aogositra teo ny tetikasa saingy nahemotra izany. Manohana ny mpandraharaha amin’ny alalan’ny […]




