Ny sabotsy lasa teo, nanolotra fanomezana ho an’ireo mpianatra mendrika ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais mort, izay tarihin’ny filohany, Mahavitara Sylvestre. Nihatsara ny vokatra teo amin’ny fanadinam-panjakana farany. Mpianatra avy eo amin’ny Zap mandrafitra ny distrikan’i Vangaindrano ireo nahazo fanomezana, ny nahazo naoty tsara indrindra fa nahazo ny anjarany ihany koa ireo afaka rehetra. Ny major afaka CEPE nahazo ordinatera fitondra sy fampitaovana amin’ny fianarana, 33 izy ireo. Ny BEPC nahazo ordinatera fitondra sy tablette, miisa 63 ireo major ary nahazo tablette ireo afaka ambiny. Ny teo amin’ny bakalorea kosa, 17 ny mpianatra nahazo ordinatera fitondra sy tablette ary fampitaovana.
Ho an’ireo mpianatra afaka bakalorea ka nahazo ny naoty ambony indrindra, nomena tetibola 2 tapitrisa Ar sy saram-pianarana mandritra ny herintaona. Efa andiany faharoa ny hetsika. “Mitsinjo ny vahoaka eto amin’ny distrika ny fikambanana, tsy mijanona amin’ny fanabeazana fa manampy rehefa misy voina. Fametrahana firaisankina eo amin’ny zanak’i Vangaindrano sy hanampiana ireo avara-pianarana no tanjona”, hoy Ramandimbilahatra Rodrigue, mpikambana. Namonjy ny haintrano teny Ankaraoka, fokontany Manombo, ny fikambanana ny 20 septambra lasa teo, misy tokantrano 35 ary fianakaviana 115.
Fanou




