homamiadana : misy ny fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy

Niorina ny taona 2008 ny Fondation Akbaraly, manentana amin’ny fisorohana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy. Manao fitiliana maimaimpoana izy ireo isaky ny volana oktobra, hanomboka anio.

Isaky ny volana oktobra, manao hetsika fanentanana iadiana sy hisorohana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly. Mitohy izany amin’ity taona ity amin’ireo faritra iasany eto Antana­narivo, Fianarantsoa ary Ma­hajanga. Hoezahina ny hampitombo ny isan’ny vehivavy iantefan’ny hetsika atao. Hi­farimbona amin’ny Fondation ny fikambanan’ny vehivavy, ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa), ny orinasa… Hano­me torohevitra sy fanafody momba ny fandrindram-piterahana ny Unfpa, mpanohana ny hetsika.
Tamin’ny taon-dasa, vehivavy 15 000 no notiliana homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Manomboka anio ny fitiliana eny amin’ny Centre Kintana Ambatomena, ary hisy fizarana laharana handaminana ny fandraisana, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Maimaimpoana ny fitiliana mandritra ny volana oktobra ho an’ireo vehivavy rehetra tonga eny. Fitiliana fisorohana no hatao fa toroana hevitra hanatona ny sampam-pitsaboana ny homamiadana eto Antananarivo kosa ireo voatily fa tratry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza na ny nono.
Araka ny tomban’ny Sampan­draharahan’ny Firenena mi­kambana momba ny fahasalamana (OMS), vehivavy iray ao anatin’ny 12 no voan’ny ho­mamiadan’ny nono ary heverina fa toy izany no miseho eto Madagasikara. Azo sorohana ny homamiadana, amin’ny alalan’ny fitiliana mialoha sy ny fandraisana an-tanana ny aretina. Manohana ny asa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Vonjy A.

Partager sur: