Vokatry ny savorovoro : “Lasa sorona hatrany ny asanay”, hoy ireo mpivarotra

Miantraika mivantana amin’ny fitadiavanay ity hetsika miteraka savorovoro ity, hoy ireo mpivarotra eny Ambohijatovo sy Analakely hatreny Soarano, omaly.

Tsy maintsy mangorona entana raha vao ma­nom­boka ny korontana ary manidy ny tsena sy ma­monjy fodiana. Ny alatsinainy, afaka niasa ihany izy ireo ha­tramin’ny 11 ora maraina. Raha vao ni­poaka ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany, nisavoritaka ny rehetra ka na­horona haingana ny fa­nanana ary nitady taxi-be ho­diana ireo mpivarotra. “Toko­ny ho eny ambony latabatra no mifandamina ireo mpanao politika fa tsy mitarika olona hidina an-dalambe fa sahirana hatrany ny mpivarotra”, hoy ny mpivarotra ko­jakoja plastika eny Anala­kely. Omaly, tsy nandeha mihitsy ny tsena fa matahotra ny olona ka nangingina ny tanàna. “Aleo handeha ny fifidianana dia hita eo izay maharesy ary ekena izay vokatra eo fa tsy ny asanay no atao sorona ohatra izao hatrany”, hoy kosa ny mpivarotra lamba tonta. “Tsy maintsy miasa izahay vao mitondra vola mody any an-trano kanefa ao anaty tahotra sy horohoro no hanaovana izany na­nomboka ny alatsinainy teo”, araka ny voalazan’ny mpivarotra eny amin’ny pavillon Analakely.
“Vao haingana no niverina niasa indray izahay nefa somparan’ny sasany sahady amin’ ny sakoroka ka tsy rariny mi­hitsy”, hoy ireo mpivarotra boky tonta eny Ambohijatovo. Tsy zaka koa ilay baomba mandatsa-dranomaso ary ko­fona sy sempotra daholo ireo mbola nijanona teo an-tsena, ny alatsinainy maraina, hoy ny fanamarihan’ny mpivarotra iray. Be sekoly manodidina eo Ambohijatovo ary sahirana ireo ankizy madinika vokatry ny baomba manempotra.
Mitondra faisana hatrany ny mpiasa tena toy ny mpivarotra izay mbola mandoa hofan-tse­na sy haba amin’ny kaominina rehefa tsy milamina eny Anala­kely sy ny manodidina. Afaka na­nohy ny asany izy ireo ny tapany maraina, omaly.

Vonjy A.

Partager sur: