Notolorana sakafo ny fianakaviana 111 manana zanaka tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, antonony, avy amin’ny toby Analavao sy Ambonaivo, ao anatin’ny kaominina Ambohinaibo, distrika Ambovombe. Vary 50kg isaky ny fianakaviana sy Plumpy-Sup 15 fonosana isaky ny ankizy no nozaraina ho azy ireo, niaraka tamin’ny ekipan’ny ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN), ao Androy, notronin’ny teo ny tomponandraikitry ny KFHI Ambovombe.
Mialoha ny fizarana, nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny reny 20, avy amin’ny toerana roa nizarana ny fanampin-tsakafo, nanangonana ny hetahetan’izy ireo momba ny asa hiteraka loharanom-bola ho azy, hanatsarany ny fari-piainany. Hanohana amin’ny fanatanterahana ny vinanasan’ireo vehivavy ireo ny KFHI ary hanampy amin’ny teknika ny ORN. Tanjona ny hanampy ireo fianakaviana hatanjaka ara-toekarena no sady afaka hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Anatin’ny fotoana maitsoahitra rahateo ny mponina ary mbola mizaka ny vokatry ny tsy fahampian’ny rotsakorana nahafahana namboly.
Vonjy




