Laza adina bakalorea 2027: handray anjara amin’ny famola­volana ny sekoly tsy miankina

Misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra rehetra ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiantohana ny fanatanterahana sy ny fahombiazan’ireo fanatsarana hatao hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana izany.

“Hisokatra amin’ny vo­lana janoary 2027 ny fisoratana anarana ary hihatra amin’ny fanadinana bakalorea 2027 ny sokajy L, S ary OSE”, hoy ny tale jenera­lin’ny Fampianarana ambaratonga ambony, Pr Raherini­rina Angelo, izay nitondra fanazavana momba ny bakalorea sy ireo fepetra fanohanana homanina.
Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ireo tomponandraikitra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ireo teknisianina maro misehatra amin’ny fanabeazana, ny faran’ny heri­nandro teo. Voalaza fa hisy paikady mahakasika ny famolavolana laza adina hijerena manokana ireo mpianatra nandalo kilasy taona voalo­hany tao anatin’ireo sokajy
A-C-D ka hanala ny fanadinana L-S-OSE. Anisan’ny fepetra noresahina ihany koa ny fandraisana anjaran’ny sekoly tsy miankina amin’ny famolavo­lana laza adina. Hohamafi­sina ny fanofanana ireo mpampiofana hampitoviana ny fomba fiasa sy ny fomba fampiana­rana ary ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpampianatra, ny oniversite ary ireo ivontoeram-pampiofanana, araka ny filan’ny fandaharam-piana­rana.
Ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny eveka misa­hana ny fanabeazana sy ny fampianarana katolika eto Mada­gasikara, mompera Jules Ranaivoson, nanambara fa “tokony hozaraina amin’ny sekoly tsy miankina ny modules de formation ho an’ny mpampianatra ao anatin’ny fanovana ny rafi-panabea­zana, satria tsy ho araky ny fanjakana ny hanofana ny mpampianatra manerana ny Nosy. Tokony ho ny androatokon’ny mpampianatra no niofana vao miditra amin’ny fanovana rafitra ny minisitera”.

Vonjy

Partager sur: