Toetry ny andro: mety hahatratra 6°C ny maripana ny maraina

Varatraza antonony na matanjaka no handrafitra ny toetry ny andro ho an’ny afovoantany sy ny faritra atsinanan’ny Nosy. Harahina rivotra mafy izany anio sy rahampitso. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny alaka­misy mankany amin’ny faran’ ny herinandro.
Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka atsimo, atsinanana, ary avaratra an­drefan’ny Nosy, mandritra ny fizarana voalohany amin’ny herinandro. Hahery be ny ranomasina any amin’ny mo­rontsirak’i Atsimo Andrefana sy Androy ary ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana. Tombanana hahatratra 4 hatramin’ny 4,5m indraindray ny onja, eo anelanelan’i Toliara sy Taolagnaro. Anio maraina, hiitatra ho an’ny morontsirak’i Vatovavy sy Atsinanana, hatrany amin’ny morontsirak’Analanjirofo, Am­batosoa ary Sava izany ny tolakandro. Nahazo fampi­tandremana miloko mena i Morombe hatrany Manakara ary fampitandremana miloko mavo i Manakara hatrany
amin’ny tanjona Bobaomby.
Hisy fidinana misongadina ny maripana ambony ho an’ny afovoantany sy ny morontsi­raka atsinanan’ny Nosy mandritra ny fizarana voalohan’ny herinandro. Tombanana hiverina hiakatra kosa izany ny alakamisy ho avy izao. 6 – 23 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 16 – 36 °C ny tolakandro.

Vonjy

Partager sur: