Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Association sœur Emmanuelle (Asmae). Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fitarihana sy torolalana momba ny fianarana sy ny asa, ny fanofanana, ny fampivelarana ny fahaiza-manao ary ny fampidirana eo amin’ny tontolon’ny asa.
Hisy fanatsarana ny fampahafantarana momba ny asa, ny lalam-piofanana ary ny fahafahana misitraka fanofanana, ny fanohanana manokana sy ny fanaraha-maso ny dian’ny tanora ary ny fampivelarana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ankapobeny ao anatin’ity fiaraha-miasa ity. Hohamafisina ihany koa ny fifandraisana eo amin’ireo ivontoeram-panofanana sy ny sehatry ny asa, ny fanomanana ny tanora amin’ny asa, fandraharahana ary famoronana asa, Hamafisina ny fahaizan’ireo mpisehatra amin’ny fanofanana sy fampidirana amin’ny asa.
Haharitra telo taona, azo havaozina, ny fiaraha-miasa. Maneho ny finiavana iombonana hampifandray bebe kokoa ny fanofanana amin’ny zava-misy eny amin’ny tontolon’ny asa sy hanome fahafahana bebe kokoa ho an’ny tanora, indrindra ireo marefo, ny ankizivavy ary ireo olona manana fahasembanana izany.
Vonjy




