Ratsy fanombohana ny vehivavy Barea de Madagascar teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika “cosafa cup”. Resin’i Eswatini, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny tovovavy malagasy. Fihaonana notanterahina omaly, tatsy Afrika Atsimo ho an’ny vondrona “A”. Nanokatra ny isa voalohany anefa ny Barea, tamin’ny alalan’i Rina, teo amin’ny minitra faha-28. Tsara ny endri-dalao nasehon”izy ireo na teo amin’ny fanafihana na ny fiarovantena. Nanao totoafo ny Eswatini, taorian’io ka sahirana ny Barea. Na izany aza, tsy nahafaty baolina izy ireo, ka io isa 1 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fizaram-potoana faharoa, nanindry mafy ny Eswatini. Nanao izay namoahana baolina fotsiny sisa ry Fabiola sy i Solange. Niezaka nanamboatra ihany ny teo afovoan’ny kianja saingy tsy tafavoaka mihitsy ireo lohalaharana. Vokany, nanasahala ny isa i Ngcamphalala teo amin’ny minitra faha-46. Tsy nijanona tamin’io fa mbola nampian’i Magagula izany tany amin’ny minitra faha-81. Nitady ny hanasahala ny Barea saingy tsy nahafaty baolina intsony. Hidona amin’i Afrika Atsimo ny Barea, ny sabotsy ho avy izao.
Tompondaka




