CUA- Sampana mpamonjy voina : mandray anjara amin’ny fanamarihana ny «Octobre Rose»

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Centre médical Kin­tana Ambatomena, ny fanombohana ny hetsika hanamarihana ny «Octobre Rose». Volana hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, izay nokarakarain’ny Sampana mpamonjy voina. Hetsika niarahana tamin’ny Fondation Akbaraly sy ny fikambananan’ny vehivavy ao amin’ny vondron’ny mpamonjy voina izay manambatra ny mpiasa sivily sy ny vadin’ireo mpamonjy voina ary ireo mpamonjy voina vehivavy. Samy nisitraka ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza avokoa izy ireo.

Tanjona ny hahafahana misoroka ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ary ho mariky ny fivondronan’ireo vehivavy anaty firaisankina, fifanakalozan-kevitra sy fifankahalalana ary fampivelarana amin’ny maha olona. Ny Fondation Akbaraly no mandray an-tanana ireo marary raha voatily fa voan’ny homamiadan’ny nono na ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ireo vehivavy nanao fitiliana. Hitohy hatramin’ny faran’ny volana oktobra ity hetsika ity, eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra.

Tsy ny ao amin’ny sampana mpamonjy voina ihany no iantefan’ny hetsika fa ny vehivavy rehetra vonona ho tilina dia afaka manatona eny Ambatomena avokoa.

Misy ny fanadihadiana mialoha ny hirosoana amin’ny fitiliana ataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny centre Kintana.

Vonjy A.

Partager sur: