Fampianarana : tsy ampy fiofanana ny mpanabe eto Madagasikara

Mila fiomanana ny fidirana amin’ny asan’ny mpanabe, hahatsapan’ireo misafidy hampianatra fa mamolavola olona feno izy ireo any an-dakilasy.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe anio. Tsy misy ny hetsika manokana ho fanamarihana izany avy amin’ny minisitera mpiahy. Hanao famelabelaran-kevitra momba ny asan’ny mpanabe sy ny fiomanana amin’izany andraikitra izany kosa ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, eny amin’ny ISTS Mandrimena. Antoka ho an’ny kalitaon’ny fanabeazana ny fifehezan’ny mpanabe ny asany. Zavatra telo lehibe no mamaritra izany: mila fantarin’ny olona iray ny tontolon’ny fanabeazana misy ny mpianatra sy ny ray aman-dreny miaraka amin’ny mpiara-miasa ary ny sekoly. Ny zava-misy, rehefa tsy mahita asa dia misafidy ny ho lasa mpampianatra fa tsy misy fanomanana ara-tsaina mialoha. Aorian’ny fanomanana ara-tsaina, tsy maintsy miatrika fiofanana ho tonga mpanabe ary mahazo ny “titre” mifandraika amin’izany. Samy misehatra amin’io ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina fa ny lalàna vaovao ho fanavaozana ny rafi-pampianarana dia mamaritra fa ny fanjakana irery ihany no mahazo mampiofana ho mpa­mpianatra.
Mila manana vina ny mpanabe tsirairay nahavita fiofanana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa, ny fifehezana ny tenim-pirenena hafa hitantanany ny asa maha mpanabe azy. Vitsy ny mpanabe mandalo ireo dingana telo ireo nefa mampianatra ny zana-bahoaka.
“Ny lalàna vaovao momba ny fanovana ny rafi-pampianarana lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta dia tsy mifanaraka amin’ny zava-misy”, hoy ny nambaran’ity mpitondra teny ity.

Vonjy A.

Partager sur: