Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny MFM, omaly, teny Ankadimbahoaka. Mazava ny fanambarana. “Ilaina ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ary mila diovina ny tokontany vao miroso amin’ny fifidianana”, hoy izy ireo. Anton’izany ny hialana amin’ireo korontana sy krizy eto amin’ny firenena. Manamafy ny hisian’ny fifanelanelanana ataon’ny FFKM eo amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena ihany koa ny “Mafana” . Mino izy ireo fa efa nisy fifampiresahana teo amin’ireo kandidà rehetra sy ireo filoham-piangonana. Nanterin’ny MFM fa olom-pirenena feno ireo kandidà 11 tafatambatra ary manan-jo hisitraka sy hampiasa malalaka ny zony haneho hevitra, mifanandrify amin’ny lalàna. “Tsy sanatria akory mpikomy. Aoka ny mpitandro ny filaminana mba handanjalanja ny fampiharana ny baiko voaray”, hoy izy ireo.
Mino




