Hanomboka rahampitso 6 oktobra, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana voalohany, amin’ny fifanintsanan’ny “Road to BAL”, 2023, taranja basikety. Efa vonona tanteraka ny ekipan’ny Cospn. Efa ela no nanomanana ity fifaninanana hatao eto Madagasikara ity, ny ekipa malagasy, ny Cospn (Club Omnisport de la Police Nationale), araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Samy Olivier Harison. Efa vonona ny ho any amin’ny “Elites 16”, ny Cospn, raha ny fanazavany hatrany. Fantatra ihany koa fa ankoatra an’i Bishop Coulter, misy mpilalao avy any Nizeria ihany koa hanampy ny Cospn. Momba ny tsy maha eo an’i Jerry kosa, nilaza ny filohan’ny Cospn fa efa misy ny paikady natao hanoloana azy satria efa fantatra fa tsy maintsy handeha izy. Araka ny fandaharam-potoana, lalao iray isan’andro no hitranga, ny 6, 7 ary 8 oktobra, izay samy hatao amin’ny 5 ora hariva. Efa manavanana ny federasiona malagasin’ny basikety ny mikarakara fifaninanana iraisam-pirenena ka efa milamina avokoa ny fandraisana, araka ny nohamafisin’ny teo anivon’ny kaomisiona mpikarakara ny “Road to BAL”, Maitre Ruffin. Efa tonga eto Madagasikara ihany koa ireo ekipa roa avy any Seychelles sy Kaomoro ary efa nanao fanazarantena tetsy Mahamasina.
Mi.Raz




