Rugby vehivavy: manao andrana any Frantsa i Razafy Loula

Araka ny vaovao navoakan’i Azzouz Aib, tale jeneralin’ny Afrika Rugby, omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy Rugby. Hanao andrana ao amin’ny klioban’ny Joue-lès- Tours France, Razafy Loula, Malagasy vehivavy mpilalao Rugby. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, haharitra telo volana eo ity andrana ity ary aorian’io no fantatra raha ho voaray izy na tsia.
Tsiahivina fa anisan’ny mpilalao manana ny mampiavaka azy i Loula, ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar vehivavy izy nanomboka ny taona 2015. Efa niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika CAN 2023 izay natao teto amintsika, ny volana mai lasa teo.
Marihina fa tafiditra anatin’ny tetikasan’ny Malagasy Rugby, ny hisian’ny mpilalao ho any ivelany ary hilalao amin’ ny sehatra ambony kokoa.

Fitia Randria

Partager sur: