Tafika Malagasy : miaramila 14 nahavita fiofanana

Nitombo indray ireo miaramila manam-pahaizana manokana momba ny serasera sy ny fampianarana ireo fitaovan-tserasera. Manamboninahitra lefitra 14 izy ireo izay nahazo ny « certificat technique N°2 »

Notontosaina teny amin’ ny Cercle Mess Fia­da­nana ny fizarana ny taratasy famantarana ny fahavitan’ny fiofanana,  ho an’ny miaramila 14 mirahalahy, afakomaly. Fiofanana momba ny tontolon’ny serasera sy ny fampianarana ary ny fampiasana ireo fitaovan-tserasera no norantovin’izy ireo nandritra ny fiofanana. Naharitra efa-bolana sy telo herinandro iza­ny narahina fampiharana sy fi­za­ran’asa teny an-kianja. No­to­lorana azy ireo, araka izany, ny «certificat Technique N°2». Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Mazaoro jenera­lin’ireo tafika, ny Vice Amiral Assani Bemarivo Jeannot, notronin’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila. Nam­pi­avaka ity andiany ity ny fahavitrihana sy ny fandavantenan’ ireo mpiofana tamin’ny alalan’ ny fampiharana mivantana teny an-kianja. Nanamafy ity manamboninahitra jeneraly ity fa hoentina hanompoana ny vahoaka sy ny Tanindrazana ny fahazoana izao mari-pahaizana izao. Avy amina vondron-tafika samihafa ireto mpiofana ireto. Teo ihany koa ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Efa eo am-pandaminana ny fidiran’ny andiany manaraka indray ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika Malagasy.

Jean Claude

Partager sur: