Rehefa tonga ny fotoana famadihana ary mirongatra ny doro tanety anatin’ny fotoana maina tahaka izao, miseho koa ny aretina pesta manomboka ny volana jolay hatramin’ny avrily, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Tsy manaja ny fe-potoana fito taona tsy azo hikitihana ny razana matin’ny pesta ny fianakaviana ka mampiparitaka ny aretina. Manampy trotraka koa ny doro tanety mampandositra ny voalavo mitondra ny parasy misy pesta any an-tokantrano. Efa nanomboka ny volana marsa lasa teo ny asa iadiana amin’ny aretina pesta eto amintsika. Sakana matetika ny tsy fahafantaran’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny andraikiny. Faritra efatra no tena isehoan’ny aretina pesta ary na tranga tokana aza no hita, mila mihetsika ny tomponandraikitra rehetra efa mahafehy ny tokony hatao.
Efa nihena ny isan’ny tranga niseho satria isan-taona, mahatratra 400 ny marary. Misy ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra sy ny mpanentana ara-pahasalamana. Entanina hatrany ny rehetra hanatona tobim-pahasalamana raha mahatsapa atody tarimo fa maimaimpoana ny fitsaboana. Aretina mpiseho isan-taona ny pesta ary fantatra koa ny toerana ahitana tranga maro. Namoizana aina ny tranga nahina fa aretina pesta tany Ankazobe, natsahatra ny fampianarana ary norarahana fanafody avokoa ny fotodrafitrasa.
Vonjy




