« Cosafa Cup »: hifanandrina amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Fanamby goavana ny miandry ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, rahampitso. Mila mandresy an’i Afrika Atsimo mpampiantrano izy ireo, raha tiany ny hanana fanantenana ny ho tafita amin’ny dingana manaraka amin’ity “Cosafa Women’s Cup” ity. Lavon’i Estwani tamin’isa 2 no ho 1 i Madagasikara tamin’ny andro voalohany.

Hotanterahina rahampitso ny andro faharoan’ny « Cosa­fa Cup », ta­ranja baolina kitra, sokajy ve­hivavy. Raha ho an’ny vondrona « A », hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano ny fifaninanana, i Mada­gasi­kara, any Dobsonville, amin’ny 12 ora atoandro.
Hanarina ny faharesena nanoloana an’i Eswatini ny vehivavy Barea.
Tsiahivina fa lavon’i Eswa­tini, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipam-pirenena Malagasy, ny alarobia 4 oktobra lasa teo. Araka izany, mbola manana fanantenana ny Barea raha mahita fandresena manoloana an’i Afrika Atsimo. Raha hiverenana ny fihaonana voalohany nasehon’ny Barea, nanana endri-dalao tsara izy ireo.
Tsiahivina fa i Mada­ga­si­kara no nitarika 1 no ho 0 voalohany. Somary nitambesatra tamin’ireo Malagasy mpilalao ny havizanana ka azon’i Eswa­­tini ny fandresena. Tsara ny mampahafantatra fa i Afri­ka Atsimo sy Eswatini ary Malawi no iray vondrona amin­tsika. Ny talata 10 oktobra ho avy izao ny Barea de Madagascar no hihaona amin’ i Malawi. Tsara marihina fa ny fifaninanana Cosafa, haharitra ny 4 hatramin’ny 15 oktobra 2023.
Ankoatra izay, ny 14 oktobra ho avy izao, hotontosaina eto Antananarivo ny fifidianana izay ho filohan’ny Fede­ra­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miisa dimy ireo nirotsaka amin’izany. Hatao amin’io fotoana io ihany koa ny fifidianana izay ho komity mpanatanteraka (CE), nahatratra 49 mianadahy izy ireo no nilatsaka hofidina amin’izany.

Fitia

Partager sur: