Mpitatitra taxi-moto : tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena

Manoloana ny korontana nisy teto Antananarivo, tao anatin’ny 3 andro izay. Misy fiantraikany betsaka amin’ny fitadiavam-bolan’ireo taxi-moto ny savorovoro, raha ny fanazavan’izy ireo.

«Tsy miombon-kevitra amin’ny fanakorontanana misy amin’izao fotoana izao ny Vovo­nan’ny mpitatitra taxi-moto eto Madagasikara (VMTM), raha ny fanambarana natoan’izy ireo tetsy Andohatapenaka, omaly. Tsy eken’izy ireo intsony raha mbola hisy korontana eto amin’ny firenena satria ny vahoaka no mijaly sy mahita faisana avy amin’izany. “Efa miandrandra filoham-pirenena vaovao ny vahoaka amin’izao fotoana izao ka tokony hirosoana ny hahatongavana amin’ny fifidianana”, hoy hatrany izy ireo. Ankoatra izay, manameloka ny fanimbana Tanàna izy ireo ary mandrisika hiroso amin’ny fifidianana. Mba hahafahan’ny olom-pirenena rehetra maneho ny safidiny.
Nandritra ny telo andro nisian’ny grevy teto Antanana­rivo, nilaza izy ireo fa misy fiantraikany teo amin’ny isam-batan’olona mitady ny hohanina isan’andro ny hetsika. Tafiditra tao anatin’izany ny fitaterana kodiarandroa « taxi-moto ». Tsy afaka niasa, araka ny tokony ho izy, nefa mamelona vady aman-janaka, betsaka ny fanararaotana eo amin’ny sehatry ny asa toy ny fisian’ny asan-jiolahy. Saika voakasika tamin’izany avokoa ny asan’izy ireo, raha ny fanazavana hatrany.

Fidirana amin’ny sehatra ara-dalàna

Ankoatra izay, manao antso avo izy ireo amin’ny fanentanana ny rehetra mba hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna. Mba hahafahana manavaka sy mampahafantatra ny sehatra ara-dalàna sy madio ao anatin’ny asan’ny taxi-moto. Manentana ny mpanjifa izy ireo mba handeha amin’ireo taxi-moto manana « gillet » sy « badge ». Mba hialana amin’ny fanararaotana sy ho fiarovana ny mpanjifa ary hiarovana ny mpitatitra ihany koa, raha ny fanambaran’izy ireo hatrany.

Mino

Partager sur: