Tokantrano 292 ahitana olona 1 400 mahery no traboina tampoka sy tsy manan-kialofana vokatry ny firehetan’ny tranon’izy ireo. Antony, ny fidinana an-dalambe nataon’ny vahoakan’i Vohipeno nanerena ny mpitandro ny filaminana hamoaka ilay lehilahy voalaza fa namono ny sakaizany. Tsy nijery ny anton’ny fahamaizana ny fitondram-panjakana fa nidina avy hatrany tany an-toerana nitondra fanampiana ho an’ireto olona may trano ireto. Vary 146 gony amin’ny 50 kg, voamaina 29 kitapo, miampy ireo fitaovana ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina no nomena. Nahitana lovia sy ny sotro samy miisa 1460, lamba firakotra sy ny sotrobe 292 , ny sira 584 fonosana tamin’izany. Manampy ireo ny vola 20 tapitrisa Ar sy ny Vatsy tsinjo ary ny fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 490 izay may kila tao avokoa. Maika ny ilan’ny vahoaka ireto fitaovana ireto ka avy hatrany dia natolotra ahafahan’izy ireo miarina tsikelikely, indrindra amin’ny fananganana ny simba. Efa intelo nisy haintrano teo amin’io fokontany Isalo io, nanomboka ny taona 2011.
Ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro sy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina ary ny ekipan’ny BNGRC no nanolotra ny fanampiana. Nitsapa alahelo ny havan’ilay vehivavy namoy ny ainy koa izy ireo ary namangy ilay zazalahy kely teo amin’ny Hopitalin’i Vohipeno naratra noho iny hetsika iny.
Vonjy




