Mitohy ny hetsika fitakiana ireo zo aman-kasin’ny mpampianatra natomboka telo volana lasa izay, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tokony ho efa hifarana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny eny Ankatso nefa nanambara ny mpampianatra fa tsy mbola nivoaka ny valim-panadinana ho an’ny lalam-piofanana rehetra. Manomboka kivy ny mpianatra fa ho lasa taona fotsy ny taom-pianarana ary mbola tsy hita mazava ny ho tohin’ny fampianarana.
Nanamafy koa ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Sampana Fianarantsoa fa tsy hamarana ny taom-pianarana 2022-2023 ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Mitohy ny hetsika fitakiana any an-toerana.
Ampiharo ny masontsivana
Manaitra hatrany ny fitondrana eto Madagasikara ny biraon’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) Sampana Antananarivo, fa tsy ampy ary tsy ahafahana manome ny kalitao ilain’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny isan’ny mpampianatra raikitra amperin’asa ho an’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana. Mitaky ny fampiharana ireo masontsivana fandraisana mpampianatra mpikaroka ho raikitra, araka ny ny rariny sy ny hitsiny izy ireo. Hifototra amin’ny traikefa sy ny fahaiza-manao ary ny tena filana araka ny zava-misy no hanatanterahana izany.
Mahatsiaro tena ho ankilabao ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra an-tselika.Toa tsy manan-jo sady very zo satria tsy misy mihaino, ka mahatsiaro ho marefo tanteraka. Fanehoan-kevitra nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanabe io.
Vonjy




