Hanome vatsim-pianarana 40 ho an’ny fampianarana ambony natokana ho an’ny teratany malagasy ny governemanta rosianina. Manomboka amin’ny taom-pianarana 2024-2025 ho avy izao izany. Hiarahan’ny masoivohon’i Rosia eto amin’ny firenena sy ny Malagasy tomponandraikitry ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana ary hatao mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy izany. Tanjona ny hampiroboroana sy hanamifasana ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena roa tonta. Eo koa ny hampivoarana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ambony. Hita sy azo arahina ao amin’ny tranonkala http://education-in-russia.com ny andinindininy rehetra mikasika izany. Mifarana amin’ny 31 oktobra 2023 izao ny fisoratana anarana ho an’ireo te handray anjara. Antontan-taratasy maro no ilaina amin’izany. Anisan’izany ny karapanondrom-pirenena, na fanamarinana ny nahaterahana ary ny “relevée de notes”, ny dika mitovy amin’ny passeport international, ny “diplôme des études antérieures”, …
Mino




