Mitohy ny hetsika tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka tsy ankanavaka ataon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka maro. Nisitraka koa ny mponina eto Analamanga nanomboka ny sabotsy teo ary hifarana anio. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, eny amin’ny kianja filalaovana basket-bal eny Andraisoro no handraisana ireo mila fizahana sy fitiliana ny tomponandraikitry ny fahasalamana anio tontolo andro. Ho an’ny eny Avaradrano, ao amin’ny kianja maitso Alasora ny fotoana ary eny Alakamisy Ambazaha ho an’ny distrikan’ Atsimondrano. Eo Imerimandroso kosa ho an’ny distrikan’ Ambohidratrimo.
Tolotra maro, ahitana fizaham-pahasalamana ankapobeny, fitiliana ny diabeta sy ny haavon’ny tosidra, fijerena ny maso, fanaovana vaksiny sy fizarana vitaminina ho an’ny ankizy no miandry ny vahoaka. Isaky ny misy hetsika tahaka izao, filaharana lavareny mandritra ny tontolo andro hatrany satria sahirana ny olona ka maro no tsy afa-misitraka fitsaboana amin’ny andavanandro. Efa misy fanafody rahateo homena ireo mila izany.
Tao anatin’ny roa taona no nanao hetsika tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka ny minisitera sy ny mpanohana.
Efa nisy kamiao maromaro koa nihazo ny lalam-pirenena RN7-RN6-RN12 hitondra tolotra manakaiky vahoaka nanomboka tamin’ity herinandro ity.
Vonjy




