Taranja bisikileta – Fifaninanana nasionaly: Hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Alakamisy Fenoarivo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja bisikileta, sokajy rehetra, lahy sy vavy. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta (FMC), Relahy Jean Claude, omaly, natao hitsirihana sahady ireo izay handrafitra ny ekipa nasionaly ity fifaninanam-pirenena ity. “Raha tsy misy ny fiovana farany, ny lehilahy ihany aloha, hatreto, no voalaza fa mifaninana amin’ny lalaon’ny Nosy ho avy io, any Como­res”, hoy izy.
Raha hiverenana kely ny fifanintsanana nasionaly, hi­ton­dra ireo sangany avy any aminy avokoa ireo ligy, toy ny avy eto Analamanga, Boeny, Diana, Menabe, Vakinankara­tra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Anosy. Hiainga eo Alakamisy Fenoarivo ny fifaninanana ary hamakivaky ny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny. Rehefa tonga eny Miarinarivo eny kosa izy ireo vao miverina mamonjy fahatongavana indray eny Alaka­misy Fenoarivo.
Ankoatra izay, hanatanteraka fivoriambe ara-potoana toy ny fanao isan-taona, anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny FMC. Hatao mandritra io fotoana io ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny fandaharana rehetra izay mbola miandry ny rafitra amin’ny taona ho avy.

Fitia Randria

Partager sur: