SOMBIM-BAOVAO

Efa mahatratra 300 tapitrisa Ariary mahery ny sandan’ny fandaniana mankany Zambia, hoy ny filohan’ny klioba FC Rouge, ny alakamisy lasa teo. Noma­rihiny fa tsy mbola ao anatin’izany ny fampiantranoana sy ny sakafo. Tsiahivina fa ny FC Rouge izay hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba.

Efa mby akaiky ny lalao fifanintsanana « Can U23 » 2027, araka ny fanadihadiana natao omaly, nanao fivoriana niresahana ny mahakasika izany ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), handaminana sy hijerena izay ho mpanazatra hitantana izany ekipam-pirenena sokajy zandriny izany.

Hotontosaina ao amin’ny Petit Palais Maha­masina, anio asabotsy, ny lalao iraisam-pirenena amin’ ny taranja Kick boxing, «Ala vela iraisam-pirenena». Handray anjara amin’ity hetsika ity moa ireo mpikatroka avy atsy amin’ny Nosy rahavavy, La Réunion sy Maurice. Ho avy hanatrika ity hetsika ity ny filohan’ny Iska Europe.

Partager sur: