Vohoka aloha loatra : antony faharoa mamono ny zatovovavy

Araka ny fanazavan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana, antony faharoa miteraka ny fahafatesan’ny tovovavy 15-19 taona ny fahasarotana mandritra ny vohoka sy ny fiterahana maneran-tany. Eto Madaga­sikara, mahatratra 29,60% ny tahan’ny fitondrana vohoka aloha loatra, taorian’ny fanadihadiana MICS 2018. Efa nidina ho 27 % izany amin’izao ary tsapa fa kely ny vokatra azo satria tsy nisy ny tolotra avy amin’ny sampandraharaha misahana ny fahasala­man’ny tanora tokony ho nanatanteraka ny fandaharanasan’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza menavava. Amin’ny vehivavy 10 maty isan’andro vokatry ny fitondrana vohoka na eo am-piterahana, tsy ampy taona avokoa ny telo amin’ireo. Zava-dehibe, noho izany, ny fisorohana ny vohoka aloha loatra eo amin’ny zatovovavy. Eo amin’ny tanora 10 ka hatramin’ny 24 taona, 13,51% ny tahan’ny fampiasana fanafody fanabeazana aizana. Afaka misitraka fanafody fandrindram-piterahana rahateo ny vehivavy rehetra tsy anavahana taona, araka ny lalàna lah -2017-043 mo­mba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana.

Efa voarara ny fampanambadiana ny zatovovavy latsaky ny 18 taona nanomboka ny ta­ona 2017, mbola niroso amin’ ny fanambadiana mialoha ny faha-18 taonany ny 40% amin’ ny tovovavy malagasy, araka ny fanadihadiana MICS 2018 ihany. Ny 13% amin’ny tovovavy 20 ka hatramin’ny 24 taona aza nanambady nialoha ny faha-15 taoanany.

Vonjy

Partager sur: